Tsy mbola milamina ny fiarahamonina eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara vokatry ny fanalana amin’ny toerany ny Governora Rasamoely Frédéric.
Namoaka didy fanerena in-droa miantoana ireo mpiasa mitokona mba handraisany asa ny Tale jeneraly Ratovondrahona izay misahana vonjimaika ny andraikitry ny governora omaly. Tsy nanaiky lembenana anefa ireto mpiasa izay manizingizina fa tsy voahaja ny sata mifehy ny Banky Foibe amin’ity raharaha ity, anisan’izany ity famoahana “réquisition” ity. Araka ny fanazavan’i Aina Razafindrakoto, solontenan’ny mpiasa mitokona dia voafaritry ny sata mifehy ny Banky Foibe tokoa ny fanerena mpiasa saingy ny Governora irery ihany no manana fahefana hanatanteraka izany”, hoy izy. Marihina fa nihavitsy raha oharina tamin’ny zoma sy alatsinainy ireo mpitokona omaly noho ny tahotra satria fandroahana no miandry izay manda ny “réquisition”. Koa satria samy manindraindra ho mampihatra ity sata ity avokoa na ny mpiasa mitokona na ny ministeran’ny fitantanam-bola dia mitaky fifanazavana isan’andininy momba izany amin’ny minisitra ireo mpiasa mitokona.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.