Actualités

Banky foibe Nilavo lefona Rasamoely Frédéric


  • Alatsinainy 19 Martsa 2012

Tontosa ny alin’ny zoma 16 martsa teo ny famindram-pahefana teo amin’ny Governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Rasamoely Frédéric, sy ny mpisolo toerana azy vonjimaika sady Tale jeneraly rahateo, Ratovondrahona Guy.

 Araka ny loharanom-baovao dia teo anelanelan’ny tamin’ny enina ora ka hatramin’ny sivy ora alina no nanatanterahana izany, natrehin’ireo «Assesseurs» sy tale vitsivitsy eo anivon’ny Banky Foibe. Maro no velom-panontaniana tamin’ny antony nampilavo lefona ny Governora Rasamoely Frédéric ka nanekeny nanao famindram-pahefana tampoka teo, nefa efa nifandrirarira nandritra ny andro maromaro, ary tonga hatreny amin’ny fitsarana aza ny raharaha. Ankoatra izay, hanankery eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ve ny sonian’ity Governora mpisolo toerana ity ? Raha tsia, inona no fiantraikan’izay eo amin’ny sandan’ny vola malagasy ?
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT