Manizingizina ny AV7 na fikambanan’ireo niharam-boina tamin’ny 7 febroary 2009, araka ny fanambarana nataony omaly fa tsy mbola mety mihitsy aloha ny hodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto Madagasikara.
Tsy mbola mety ho an’ny fitoniana sy ny filaminana ny fiverenan’Atoa Ravalomanana eto, hoy Rafaramandimby Boana Jean Pierre avy ao amin’ny AV7. Mazava ny resaka eto fa dia tsy manaiky ny hodian’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara ny AV7 ary tsy maintsy mahita hambara foana hanakanana an’izany. Tsy ao anatin’ny voambolana fampiasan’ity fikambanana ity mihitsy ny hoe fifampiresahana, fifanazavana ary fihavanana. Tsy sanatria fanamaivanana ny maty sy naratra ary nitondra takaitra noho ny raharaha 2009, fahadisoana kosa ny milaza fa i Marc Ravalomanana no tena meloka tamin’iny raharaha iny. Nisy nitarika sy nampirisika ny olona niakatra teny Ambohitsorohitra, ary voafitaka ihany koa raha ny tena marina. Raha atao ny fitsarana marina sy tsy mitanila dia mila fanadihadiana daholo izay nitarika ny olona avy eny amin’ny kianjan’ny 13 mey niakatra teny Antaninarenina. Nanana ny nambarany momba iny raharaha iny ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina. Efa nanao ampamoaka momba ny 7 febroary 2009 sy ny fanonganam-panjakana tamin’ny ankapobeny koa ny lietnà-kolonely Charles andrianasoavina, dia ireny niaraha-nahita ireny ny nanjo azy, saika namoizany aina. Koa tsy omen-tsiny ny AV7 satria atao fitaovana politika fotsiny. Hita ihany koa fa vao mainka hampihena ny isam-baton’ny kandidan’ny ankolafy Rajoelina izao paikady politika diso fipetraka nataon’ny AV7 ity satria mampibaribary tanteraka ny tsy fahavononan’ny olon’ny ankolafy Rajoelina hihavana amin’ny hafa sy hametraka ny fitoniana ilay izy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.