Actualités

Auguste Marius Arnaud, filohan’ny SMM “Miray tendro amin’ny polisy ireo jiolahy ao Toliara”


  • Alatsinainy 12 Desambra 2011

Naneho firaisankina ny mpitsara eto an-drenivohitra ny sabotsy teo ka tonga namaly ny antson’ny biraon’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) nanatanteraka fitokonana teo anoloan’ny lapan’ny fitsarana miaraka amin’ny akanjo maha mpitsara azy.

 Nohamafisin’ny filohan’ny SMM, Auguste Marius Arnaud nandritra io fotoana io ny fitakian’izy ireo ny fialan’ny minisitry ny filaminana anatiny sy ny talen’ny polisy ao Toliara miaraka amin’ny Kaomisera tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Kaomisaria Toliara. Ireto farany izay nambarany fa namatsy fiara sy basy ireo polisy nioko sy namono nahafaty ilay lefitry ny mpampanoa lalàna, Rehavana Michel ny zoma teo. Takian’ny SMM koa ny fisamborana ireo polisy nahavanon-doza. “Tsy misy adihevitra ireo fitakiana ireo. Na iza na iza hiaro azy ireo dia tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay. Tany tan-dalàna no ezahana apetraka fa tsy fanaovana ramatahora (Etat policier)”, hoy hatrany ny filohan’ny SMM. Nampiany fa rehefa tsy handray andraikitra ny fanjakana dia tsy hilamina ity firenena ity. Namoaka tsiambaratelo koa anefa i Auguste Marius Arnaud momba ny firaisan’ny mpitandro filaminana sasany tsikombakomba amin’ny jiolahy ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana. Nambarany fa mifarana any amin’ny polisy am-perinasa hatrany ny fanadihadiana momba ireo fanafihana mitam-basy saingy nangina ny mpitsara noho ny fiaraha-miasa.

Miray hina amin’ny mpitsara amin’izao hetsika ataony izao koa ny fivondronamben’ny mpiasam-panjakana sy teknisianina ambony izay nanatanteraka fivoriana maika. Fehin-kevitra noraisiny ny fanohanana ny fitakian’ny mpitsara amin’ny tokony hanasaziana ireo tomponandraikitra rehetra amin’ity fahafatesan’ilay mpitsara tao Toliara ity. Tsy vitan’izay fa nanome fe-potoana 72 ora nanomboka ny sabotsy teo ny fanjakana izy ireo handray ny andraikiny “raha tsy izay dia handray fanapahan-kevitra ny mpiasam-panjakana sy teknisianina ambony rehetra”, hoy Rakotonarivo Thierry, filohan’ny fivondronamben’ny mpiasam-panjakana sy teknisianina ambony sady filohan’ny fikambanan’ny administera sivily ihany koa. Marihina fa niezaka namono afo teny Anosy ny praiminisitra Omer Beriziky ny sabotsy teo saingy horakoraka no nandraisan’ny mpitsara azy raha nilaza ny tenany fa mandray ny andraikiny ny fanjakana ary efa any Toliara rahateo ny minisitry ny filaminana anatiny. Nanome toky koa ny tenany fa tsy misy ny olona ambonin’ny lalàna fa tsy maintsy saziana izay nanao fahadisoana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT