Atoa Maminirina Jean Eddy

> Tanora vonona hanampy ny mpiara-monina


  • Talata 26 Novambra 2013

“Tsy mpanao politika ny tenako no tsy kandida amin’ireo fifidianana hisy sy hitranga ihany koa, fa tanora faly kosa manampy ara-tsosialy ny mpiarabelona amiko sy ny tanora tahaka ahy”.

Izay no fanamarinana nataon’Atoa Maminirina Jean Eddy tamin’ny hetsika nataony tao Toamasina ny alahady teo, izay nanasany tanora sy olona maro niara-nifandinika taminy ary nanampiany azy ireo avy hatrany. Nambaran’Atoa Maminirina Jean Eddy fa “miaina anatin’ny fahantrana ny Malagasy, tsy mahatsabo tena ny ankamaroany, tsy manana asa ny tanora maro an’isa, ka ny hifanampy amin’izany no hijoroako izao amin’ireo izay mba eo an-tanako sy izay mba nomen’Andriamanitra ahy”. Nisy noho izany ny fanampiana ara-bola avy hatrany nomeny ireo Boriborintany miisa dimy ao Toamasina hahafahan’izy ireo manana tahiry ara-bola entin’izy ireo manampy ireo mila famonjena maika ao aminy. Nahazo 06 tapitrisa Ariary ny tao Ankirihiry, 04 tapitrisa Ariary avy ho an’i Morarano sy Tanambao V, ary 02 tapitrisa Ariary avy kosa ho an’Anjoma sy Ambodimanga. An-kilan’ireo dia nanangana fikambanana antsoina hoe “AJD na Association des Jeunes pour le Développement” entina handraisana tetikasam-pampandrosoana ilain’ny tanora hanamorana ny famatsiam-bola ho amin’izany Atoa Maminirina Jean Eddy, izay izy ihany no filoham-boninahiny. Efa nanomboka tamin’ny taom-piotazana lodsia teo ny fanampiana nataony tamin’izany, ka mbola hitohy amin’ireo tanora tia karokaroka sy tia mandray andraikitra arak’asa ary ara-panatanjahantena ihany koa.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT