Niala tamin’ny fahanginany Atoa Mahavimbina Alain lehiben’ny Faritra Atsinanana teo aloha, rehefa nangina tsy niteny, naka aina sy nandinika ny zava-misy ary nieritreritra lalina taorian’ny nanesorana azy tamin’ny toerany.
Mikasika ny fifidianana hitranga ny zoma 20 desambra izao dia nisarika ny sain’ny Malagasy mpifidy izy. “Aza amidy vary na atakalo vola ny safidinao izay hiantoka ny hoavin’ny taranakao sy ny fiainan’ny Malagasy ary ny fampandrosoana ny firenena. Betsaka ny mandraviravy vola be, maro ireo manao tambitamby amin’ny fitafiana samy hafa, tsy vitsy ihany koa ireo manao teny manaitra sy tsara lahatra miampy ny fizarana zavatra samy hafa, ka mila misaina sy mandinika isika mba tsy hofitahana indray”, hoy Atoa Mahavimbina Alain. Nomarihan’ity lehiben’ny Faritra Atsinanana teo aloha ity hatrany fa ny fahaizana mifidy no antoky ny fialana ao anatin’ny krizy iainantsika ankehitriny. Nilaza moa i Mahavimbina Alain fa olom-boatendrim-panjakana ny tenany ka tsy hidongy seza.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.