Tanterahana eny amin’ny Carlton Anosy ny «Salon des métiers et de la formation» andiany faha-10.
Tolotr’asa sy torolalana matihanina maherin’ny 2.000 no miandry ireo mpitsidika mandritra ny roa andro eny an-toerana.
FIFIDIANANA
Hiverina eto Madagasikara amin’ny faran’ny volana jolay ny iraka faharoa avy amin’ny Firenena mikambana misahana ny fifidianana. Handrafitra ny volavolan-dalàna tohana amin’ny fifidianana eto amintsika moa ny antondian’ny «Needs Assessment Mission».
LALÀNAN’NY SERASERA
Mazava ankehitriny fa tsy misy ifandraisany amin’ny “Facilité Elargie de Crédit” ny fandaniana maika ny volavolan-dalàna mifehy ny fifandraisana. Anisan’ny nangataka ny fanemorana ny fandinihana azy io koa moa ny Pnud.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.