Actualités

Asa fanaovan-gazety Nivoaka ny didim-pitondranan manangana ny “Commission d’éthique”


  • Talata 20 Septambra 2011


 Namoaka didim-pitondrana ny FAT omaly nosoniavin’ny minisitry ny Fifandraisana, Rahajason Harry Laurent. Tao anatin’izany no namoahana ny fijoroan’ny filankevitry ny asa fanaovan-gazety. Najoro izany mba hanara-maso ny asan’ny mpanao gazety tsirairay. Ity “Commission d’éthique journalistique” ity indray izany no nahamaika ny FAT ny nanangana azy noho ny Holafitry ny mpanao gazety. Tsaroana ery ny minisitra raha vao voatendry dia nampanantena fa anisan’ny vaindohan-draharahany ny hanangana ny Holafitra. Firy volana izay no lasa tsy mbola tonga hatramin’izao. Ny irariana dia mba tena hitondra fivoarana ho an’ny asa fanaovan-gazety ity komity ity fa tsy ho sanatria noho ny fitakiana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety voasoratra tao amin’ny tondrozotra no nahatonga ity komity ity ho natsangana haingana.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT