Nifamotoana tetsy amin’ny Villa Pradon Antanimena indray omaly ny mpanao gazety rehetra nandinika ny mikasika izay fomba hanohizana ny tolona manoloana ny tery vay manta ataon’ny fitondram-panjakana ny
amin’ny tsy maintsy handaniana ilay volavolan-dalàna mifehy ny fifandraisana eto amintsika ka nampiantsoany ireo loholona sy solombavambahoaka hiatrika fivoriana tsy ara-potoana indray manomboka anio talata 5 jolay. Tafatsangana tamin’izany ny “Hetsika ho an’ny fahalalahana maneho hevitra” izay hivondronan’ny mpanao gazety rehetra. Hitohy ihany koa ny fisaonana ho an’ny gazety an-tsoratra rehetra manomboka anio ankoatra ny hetsika miara-manonja hotanterahin’ireo onjam-peo manerana ny nosy. Hitambatra amin’ny famoahana ny vaovao sy ny fanehoan-kevitra rehetra ny radio eto an-drenivohitra izay hampian’ireo fahitalavitra amin’ny alina. Nambaran-dRakotondrasoa Fetra izay mpitondra tenin’izy ireo fa hisy ny fangatahan’ny mpanao gazety fihaonana amin’ny kaomisiona manokana misahana ny fifandraisana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena mandritra izany izay marihina fa efa nihaona tamin’izy ireo omaly teny Antanimena ary milaza ny mbola hijery akaiky izany miaraka amin’ny PNUD.Manana porofo ny amin’ny lainga be nataon’ny fitondram-panjakana ny mpanao gazety, noho ny fikitihana na fanesorana ny andininy sasantsasany ao amin’ilay fehezan-dalàna momba ny fifandraisana.Nosoloina andininy metimety sy miaro ny manampahefana moa izy ireo ary mamely mafy kosa ny mpanao gazety.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.