Tohin’ny fidinana ifotony izay nataon’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ireo solontenam-panjakana vitsivitsy niaraka taminy tany atsimon’ny nosy ny faran’ny herinandro teo mahakasika ilay vono olona mahatsiravina nahafatesana olona miisa 32 sy naharatrana olona 17
dia nanambara ny teo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena fa efa nisy andiany tamin’ireo 39 lahy avy eo anivon’ilay sampana manokana natao hiadiana amin’ny dahalo na ny USAD nalefa hampandry fahalemana any an-toerana. Nandefasana izany ihany koa ireo heverina fa faritra mena toa an’i Melaky sy Matsiatra Ambony ary Menabe. Etsy an-kilany, mikasika ny raharaha fampihorohoroana izay saika niseho tao Nosy be ka nahatrarana ireo fitaovam-piadiana maro be tanatina kaontenera tao an-toerana dia andrasana ihany koa izao ny mikasika ny vokatry ny fikarohana ilay vazaha izay anisan’ny voarohirohy tamin’ny famatsiana ireo fitaovam-piadiana ireo. Mihamihombo hatrany, araka izany, ny trangana tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena ary mampametra-panontaniana ihany koa ny mety ho fomba ahafahan’ireo mpitandro ny filaminana hifehy izany izay marihina fa tsy ampy fitaovana aloha hatreto, araka ny nitaterana azy tamin’ny herinandro. Ho sarotra ihany koa ny ady miandry ny tafika malagasy satria dia samy trangana fahasahiana hanao asa fampihorohoroana sy fihantsiana ny tafika malagasy avokoa na ny tranga tany atsimo na ny tany Nosy be.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.