Actualités

Asa famoronana sy fanitarana Tsy azo sarahina amin’ny fampandrosoam-pirenena


  • Alarobia 06 Jolay 2016

Na eo amin’ny lafiny politika na sosialy na toekarena na kolontsaina na hairaha na itony teknolojia vaovao itony dia samy miainga sy mifototra amin’ny asa famoronana avokoa.

Io no fehezanteny nivoitra nandritry ny fanokafana ny atrikasa miompana amin’ny asa famoronana sy ny fanitarana tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina omaly. Ny olana eto amintsika dia matetika mijanona ho famoronana fotsiny ihany ireo vokatra vaovao voaforon’ireo mpamorona ka hatrany amin’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. Sarotra ho azy ireo kosa ny mamadika azy ireny ho fivelomana. Antony iray lehibe heverin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy fa sakana ho an’ny fampandrosoam-pirenena eo amin’ny lafiny rehetra io toe-draharaha io. Izany indrindra no antony hampiofanana mandritry ny telo andro ireo mpamorona ireo nanomboka omaly mba hahazoan’izy ireo mahazo ny traikefa sy fahaiza-manao mifanandrify amin’izany. Anisan’ny manana solontena mandray anjara amin’ity atrikasa ity moa ny avy eo anivon’ny OMDA sy ny OMAPI.

Mirija   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT