Actualités

Arina fandrehitra Tafakatra 40.000Ar ny iray gony


  • Alatsinainy 05 Martsa 2012

Tafakatra 40.000Ar ny iray gony amin'ny arina fandrehitra na ny saribao ny faran'ny herinandro teo teto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 Taorian'ny niavian'ny ranon'orana tsy niato ka nahatapaka ny ampahany tamin'ny lalam-pirenena faharoa mantsy dia nitsahatra tamin'ny asany tanteraka ireo mpamatsy arina toy ny ao Moramanga ka faritra vitsy sisa no namatsy ireo mpivarotra toa an'Anjozorobe. Vokany, niaka-bidy tao anatin'ny fotoana fohy ny arina. Raha 12.000Ar no farany ambony nividianan'ny isan-tokantrano ny iray gony teo aloha, izany hoe mbola mahazo ny 100Ar ho an'ireo mividy antsinjarany dia tafakatra 40.000Ar izany nanomboka ny sabotsy. Tsy vitan'izay lafo fa mbola mando sy nilaharana mihitsy aza tamin’ny toerana maro teto an-drenivohitra. Antso avo araka izany no ataon'ny mponina amin'ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny zava-misy. Ankoatra ity fiakaran'ny vidin'ny arina ity moa dia anisan'ny mampitaraina ny vahoaka ihany koa ny fiakaran'ny vidin-jiro sy ranon'ny Jirama, nampian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay ahiana hiantraika amin’ny saran-dalana.
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT