Mahatratra 300.000 isa ireo ankizy ahitana ny soritr’aretina drepanocytose aty amin’ny kaontinanta Afrikanina, raha ny tarehimarika navoakan’ny OMS, ka ny 11 % amin’ireo no Malagasy.
Ny efatra amin’ny zaza miisa dimy lasibatry ny aretina no fantatra fa maty alohan’ny fahadimy taonany. Iray amin’ny marary miisa folo no tratry ny dona tampoka any amin’ny loha alohan’ny faha-20 taonany ary marary iray amin’ny roa monja no mahatratra ny faha-50 taonany. Vonona ny hanohana hatrany amin’ny ady hatao amin’ny aretina drépanocytose eto amintsika ny orinasa Star sady hitsinjo ny mpiara-belona. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana no betsaka voan’izany. Ankizy no tena maro an’isa satria dia mahatratra 18,5 % . Raha ny tarehimarika nivoaka farany dia 50 tapitrisa ireo olona lasibatr’ity aretina ity maneran-tany. Mba ho fanampiana ireny olona ireny dia namaly ny antson’ny ONG LCDM SOLIMAD (Organisation Non Gouvernementale Lutte Contre la Drépanocytose à Madagascar) ny orinasa Star. Nisy mihitsy ny fanavaozana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta izay nanoloran’ny orinasa star rano 1.000 tavoahangy maimaimpoana. Mila misotro rano 3 litatra isan’andro mantsy ny marary iray amin’ny ankapobeny. Efa nanomboka tamin’ny taona 2007 no niara-niasa ny roa tonta. Ity aretina ity dia aretina manaranaka izay mampikatso na tsy mampilamina ny fikorinan’ny ra ao anatin’ny vatan’olombelona ka mahatonga izany hivangongo any anaty atidoha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.