Anisan’ny aretin-dratsy mbola miseho sy malaza any Ambatondrazaka ny ambalavelona fa tsy honohono, hoy i Nirina mpitsabo nentim-paharazana etsy Sabotsy Namehana.
Ity zatovovavy vao tonga tsy ela akory tety aminay ity, hoy izy, dia anisan’ireo nitsatoka ara-panambadiana mba nokasainy aorina noho ny fahazoany an’ity aretina ity nandritra ny fotoana naharitraritra ihany. Efa natoniny avokoa, araka ny filazan’ilay zatovovavy, ny karazana mpitsabo nambaran’ny olona tany amin’ny toerana samihafa fa tsy nahitam-bokatra izany. Voatery nampiasa ny zazavavindrano mpiara-miasa amiko aho, hoy ity mpitsabo ity, ka naniraka azy io nanala ny olana rehefa avy nanao fitsaboana nihoa-bonga. Efa tonga nandalo teto Sabotsy Namehana moa ity zatovovavy ity taorian’izay ary ankehitriny izy dia manohy ny fitsaboana any aminy ary efa mikarakara miaraka amin’ny fofombadiny ny fifamofoan’izy roa.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.