Hafa noho ny hafa ny fifidianana tao Antsiranana I ny zoma 20 desambra teo, fa dia feno hosoka. Niseho tamin’ny endrika telo izany. Tao ireo mpifidy nampiasa kara-pifidianana tamin’ny referandaoma tamin’ny 2010 nifidianana.
Maro ireo mpifidy “mersenera”. Tany Notaomina avy any Mahajanga, Toamasina ary Antananarivo izy ireo. Tany amin’ireo toerana ireo rahateo izy ireo no nifidy tamin’ny fihodinana voalohany saingy voasoratra anarana tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny lisitra fanampiny, toy ireo olona nosokajiana fa hadino tamin’ny fanisana voalohany tao Antsiranana I. Notaomina tamin’ny fiara mihitsy izy ireo tonga nifidy tamin’io andro io, ary fantatra fa kandida depiote iray no tao ambadik’izy ireo. Marihina fa nisy 2938 ny mpifidy tao amin’ny lisitra fanampiny nitsinjara tamin’ny biraom-pifidianana niisa 63 tao Antsiranana I tamin’ny 20 desambra io. Tranga fahatelo dia ny fizarana ireo kara-pifidianana tsy nisy mpaka tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny olona tsy tompony akory. Tonga nifidy niaraka tamin’ny kara-panondrony tokoa ireto farany, rehefa nahazo “fandrisika”. Efa tambazotra mihitsy no miasa eto, araka ny fanamarihan’ireo delegen’ny kandida sasany tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana satria dia tsy nisy ny fanamarinana izay voarakitra ao anatin’ny kara-panondro sy ny kara-pifidianana fa dia afaka nifidy tsy amin’ahiahy ireto mpifidy mersenera ireto.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.