Antsirabe vita fety

> Miahaka tanteraka ny mpivarotra


  • Alarobia 08 Janoary 2014

Miahaka tanteraka ny mpivarotra amin’izao vita fety izao raha ny ao Antsirabe no jerena. Mimenomenona avokoa izay anontaniana fa tsy mandeha ny varotra. “Asa raha mankaiza avokoa ny vola, sa lany tamin’ny fampielezan-kevitra ve ?”, hoy ny ramatoa iray mpivarotra akoho velona ao Antsenakely.

Raha ny nambarany dia tsy misy mpividy ny akoho velona fa efa mandanja eny amin’ny mpivarokena ny mpanjifa satria eny mandanja na dia henan’akoho fahefan-kilao aza. Raha ny tsenan’ny hena dia tena ahitana fihenana tanteraka ny fanjifana raha ny voalazan’ny mpivarokena tao Antsenakely ihany. Efa hita izany nandritra ny fety saingy vao mainka nirorona ny fanjifana amin’izao fotoana. Raha ny fanazavana ihany dia mahalany hatramin’ny 50 hatramin’ny 60 kilao ny mpivarokena iray, saingy amin’izao fotoana dia zara raha mahalany 20 kilao eo ho sisa izy ireo. Ohatra noraisiny moa fa raha misy olona folo manjifa dia iray amin’izay no mividy iray kilao ary saika fahefany na 250 grama monja no jifain’ny ambiny. Eny fa ny mpanao hotely aza dia mihena ihany koa ny hena alain’izy ireo. Fantatra moa fa ny henan-kisoa amin’izao no mba mandeha satria toa hifampitadiavana, hono, ny kisoa ka vitsy ny tonga eny ambony akalana. Saika hevitra iraisan’ireo mpivarotra moa ny filazana fa tena tsy manam-bola ny vahoaka. Sa izay vao miseho ny vokatry ny krizy ?

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT