Antsirabe tampon-tanŕna

> Nohatevenina ny fiambenana


  • Alakamisy 23 Janoary 2014

Asa na efa matahotra ny handairan’ny tsaho ihany koa ny mpitantana ny tanŕnan’Antsirabe sy ny Faritra Vakinankaratra fa dia namory mpanao gazety indray ireo avy tao amin’ny OMC ny alatsinainy lasa teo, nahitana ny Tafika sy ny Polisim-pirenena ary Zandary notarihin’ny avy ao amin’ny Faritra sy ny Distrika ka fepetra hentitra no napetraka.

 

Nambara tamin’izany fa hohatevenina ny fisafoana eran’ny tanànan’Antsirabe renivohitra aloha na andro na alina manomboka izao, ary nampitomboina mihitsy ny olombelona misahana izany ary niangaviana ihany koa ny vahoaka mba hampandre ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ireny laharana maitso ireny raha mahatsikaritra zavatra na fihetsika hafahafa. Tsikaritra fa taorian’ny namohanan’ny CES ny valim-pifidianana dia toa taitaitra sy mailo izany ny mpitondra, no nisy ihany koa ny filazana fa nisy trakta niely, hono, fa hidina an-dalambe ny Zanak’i Dada ao Antsirabe. Misy andiana mpitandro filaminana am-polony maro napetraka manokana mihitsy moa eo amin’ny lalana miditra ny kianjan’ny Magro Avaratsena. Nambara moa fa ho fampiharana ny lalàna velona no nandraisana ity fepetra ity no sady ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ? Ankoatra izay dia nentanina ihany koa ny vatan-dahy hamerina indray ny fiambenana isan-tanàna. Mandry an-driran’antsy tanteraka ny mpitantana sy ny mpitondra ao Antsirabe.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT