Antsirabe Renivohitra

> Mirongatra ny vaky trano


  • Talata 12 Novambra 2013

Mirongatra ny vaky trano ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra, indrindra fa taorian’ny fiafaran’ny fampielezan-kevitra ireny.

Saika isak’alina dia tsy maintsy ahenoana tsoka kiririoka saingy tsy misy sahy mivoaka ny olona noho ny tahotra ny fitaovam-piadiana entin’ireo jiolahy izay tsy fantatra mazava intsony. Na izany aza dia manao ny ainy tsy ho zavatra ny polisim-pirenena amin’ny famongorana ireo jiolahy. Raha ny tatitra nomen’ny Kaomisera Rakotonjanahary Manamijoro, avy ao amin’ny kaomisaria afovoany ao Antsirabe dia nahatratra ho 5 ny vaky trano nahazoan’izy ireo fitarainana ny faran’ny herinandro lasa iny ka ny iray no nahazoam-bokatra. Raha ny fanazavana dia nisy trano iray tsy tao ny tompon-trano ka norobain’ireo mpangalatra ary notaominy avokoa ny entana tao toy ny vata fampangatsiahana, fahitalavitra, fitaovan-dakozia ary lamba firakotra samihafa. Tsy tratra ireo jiolahy, re siosio kosa fa mbola hiverina haka ireo entana ambiny ka teo no nanaovan’ny polisy ny vela-pandrika ka sarona tao amin’ilay trano tokoa ny tovolahy iray. Niainga tamin’ny fanadihadiana no nahatrarana ny namany hafa roalahy ary dia sarona avokoa ireo entana voalaza tetsy ambony ireo. Nambaran’ny Kaomisera Manamijoro fa efa mpamerin-keloka ireto jiolahy tratra ireto ary mbola vaky trano toy izao ihany no nahavoatazona azy tany am-ponja saingy rehefa tafavoaka izy ireo dia izao miverina amin’ny fanaony izao.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT