Manomboka hita soritra ankehitriny ny faharatsian'ny lalana eran'Antsirabe, izay mahavelon-taraina hatrany ny mpitatitra sy ny mpampiasa azy. Ampahan-dalana anisan'ny nampitaraina ny maro mpampiasa azy ny "Boulevard de Miaramasoandro" ao Antsirabe renivohitra izay mihazo an'i Vatofotsy sy iny manamorona ny sekoly ambony ESSVA iny.
Potika sy tsy azo ampiasaina intsony izy ankehitriny satria tsy vita tara toy ny nanamorona ny Piste Vatofotsy noho ny krizy nisy teto amin'ny firenena iny fa tapaka tampoka ny famatsiam-bola. Efa ny taona 2005 tany ho any moa no namakiana io lalana io sy nanomezana azy ny anarany ankehitriny io. Ny taona 2009 indray vao nisy fanamboarana kely, saingy tsy nanova zavatra loatra tamin'ny fahapotehan'ny lalana izany. Ny Fokonolona ao Miaramasoandro hatrany no mikolokolo azy ity hatramin'izay, saingy tsy mahafa-piry mihitsy noho hamafin'ny asa. Raha ny fanazavana nomen-dRakotondrajoa Lucien, sefo Fokontany ao Miaramasoandro, dia hisy fanamboarana tsy ho ela ireo lalana ireo noho ny fisiana fiaraha-miasa amina mpandraharaha tsy miankina avy ao amin'ny Fokontany izay efa nilaza fa vonona amin'ny fiantohana ny fanamboarana ireo lalana ireo. Efa nisy ny resaka nifanaovana tamin'ny tomponandraikitry ny Kaominina Antsirabe renivohitra ny amin'io raha ny fanazavana ka miandry ny asa hanomboka sy ny pitsopitsony sisa izy ireo. Tombony lehibe amin’ny fahavitan'io lalana io ny fivoahan'ny vokatra avy amin'ny ilany avaratr'Antsirabe manontolo, toy ny avy any Ambano, satria ireo no tokony ho lalana hampiasaina ho amin'izany. Ankoatra ireo dia misy ampahan-dalana mirefy 470 metatra ihany koa amin'izao fotoana ao amin'ny faritry ny Fokontany Mahazoarivo no harenina ho rarivato noho ny fiaraha-miasan'ny Kaominina Antsirabe Ambonivohitra sy ny H.P.H na ny "Habitat Pour l'Humanité", izay miantoka manontolo ny asa fanamboarana. Noho ny olana ara-bola izany dia ny mpiara-miombon'antoka sisa no misolo vaika ny asan'ny fanjakana ankehitriny.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.