Actualités

Antsirabe Jeneraly nanampatra fahefana


  • Alatsinainy 12 Martsa 2012

Nanampatra fahefana ity Jeneraly iray, lehiben’ny mpitandro filaminana, nandritra ny fandalovany tao Antsirabe ny sabotsy 10 martsa lasa teo.

 Raha ny zava-nisy dia naka solika tamina toby mpaninjara iray an’ny orinasa Total ao an-toerana ity Jeneraly ny antoandron’io sabotsy io, tokony ho tamin’ny mitatao vovonana teo. Rehefa voarotsaka ny solika nalainy dia nanolotra taratasin-tsolika na CCAL mitovy sanda amin’ny nalaina izy ireo saingy nolavin’ireo mpiasa tao amin’ilay toby mpaninjara solika satria tsy mandray ireny ry zareo, araka ny toromarika. Nisendaotra vokatr’izay ilay jeneraly ka nitabataba teo. Vetivety dia vory ny olona io antoandro io. Niaka-peo ilay jeneraly ary nanao vava mihitsy fa “rehefa tsy hivarotra dia hidio ny station !”.

Tsy vitan’izay fa noraofiny ireo mpiasa telolahy ka nasainy nentina tao amin’ny borigady Andranomadio fa hoe tsy manaja azy angaha, hono, ary dia voatazona ora maromaro tany vao navoaka. Nasainy nakany ihany koa ilay ramatoa tao amin’ny Botika saingy nandà satria tsy misy miambina ny tsenany. Voatery niditra an-tsehatra nandamina ity raharaha ity mihitsy moa ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra vokatry ny savorovoro sy ny fitangoronan’ny olona be loatra. Araka ny fanampim-baovao azo dia talohan’io tranga io dia nisakafo tamina Resto iray tao afovoan-tanàna, araka ny fanasana Karana iray, ry jeneraly sy ny ekipany rehefa avy namita iraka tany Antsampanimahazo–Faratsiho. Ny mahalasa ny saina dia tena manao didiko fe lehibe mihitsy ny mpitandro filaminana na lehibe na kely. Koa tsy gaga ny maro raha toa ka, andaniny, maro ny fitakiana hampiharana dina, ankilany mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka rehefa misy tranga miseho.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT