Antsirabe

> Potiky ny orana ny ankamaroan’ireo lalantany


  • Alarobia 05 Febroary 2014


Nanatanteraka asam-pokonolona ny mponina tao amin'ny Fokontany Fiadanana, Antsirabe I ny talata 04 febroary teo. Nitarika ny vahoaka marobe tamin'izany ny lehiben'ny Fokontany, Atoa Andriamorasata Davidson, notronin'ny Lefitra voalohan'ny PDS Atoa Randrianarison Olivier, izay nanome tanana ny Fokonolona tamin'ny asa fanamboaran-dalana hifandraisan'ny mpiray tanàna. Asa efa fanaon’ny Fokontany isan-taona izy ity ho fitsinjovana ny fivezivezen'ny mponina ao aminy. Nisy fiantraikany goavana mantsy ny vokatry ny rotsak'orana nisesy tao Antsirabe ka lasibatra avokoa ny lalantany any amin'ireo Fokontany manodidina ka tena voatery izy ireo nanao ny asa. Lalana mirefy roa kilometatra teo no nasiam-panamboarana nampiasana vato 20 metatra kioba.  Fiarabe iray natolotry ny DS lefitra no nitatitra izany nanontolo andro ankoatra ny sarety izay nampiasain'ny mponina. Nilaza Atoa Randrianarison Olivier fa mahazo tohana aminy avokoa izay Fokontany miezaka ka entaniny ny hafa mba samy hihetsika ho tombontsoan'ny vahoaka rehetra izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT