Taorian’ny fandrobana nataon’ny dahalo ny ombim-barotra avy any Antsalova ho any Tsiroanomandidy ny fiandohan’ny volana jona lasa iny, izay tsy misy fandraisana anjara na kely akory aza nataon’ny
Fanjakana na dia nitalaho mafy aza ny mpiompy, dia tena fadiranovana tanteraka ny vahoaka any amin’ity Distrika iray ao anatin’ny faritra Melaky ity. Vola ana miliara maro isam-bolana no very ao anatin’ity distrika ity. Foana ho azy koa ny tsenan’omby satria tsy misy mahasahy mampiasa ny volany amin’ny omby intsony izay mbola manana ny ampiasaina. Omby matavy be iray dia vidian’ny mpivarokena 80.000 Ariary ka htramin’ny 150.000 Ariary fotsiny ankehitriny. Ankoatra izay, ny dahalo dia mifanaretsaka mangorona omby sady mamono no manao takalon’aina ny tompony. Isan’andro vaky dia itrangana fanafihan-dahalo hatrany ao Antsalova sy any amin’ny Fokontany ambanivohitra. Misy zandary ao an-toerana ary mitombo isa aza, saingy tsy atahoran’ny dahalo fa vao mainka aza hantsian’ireo amin’ny hira sy ny antsoantso hoe “Avia manaraha” mandritra ny fanafihana ataon’izy ireo ao an-tanàna, ary amin’ny fokontany isian’ny tobin’ny zandary mihitsy aza no lasibatra. Mitaraina ny vahoaka any Antsalova, aiza ny zo fototra tokony hananany hiaina am-pilaminana ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.