Nihorohoro ny mpiasan'ny banky BFV etsy Antsakaviro omaly tokony ho tamin'ny 12 ora sy 20 minitra.
Lehilahy iray niresaka tamin'ny mpiambina ity banky ity ary nanome entana toy ny fanomezana, mba homena ny mpitambola tao amin'ity banky ity no nahatonga ny fihorohoroana. Fetsy dia fetsy ilay lehilahy satria tsy nety niditra tao anatin'ny banky ny tenany fa tany ivelany ka tsy azon'ny “camera”. Mbola nampiarahany tamin'ny finday iray ilay voalaza fa fanomezana nifono sachet mainty. Efa tsy tao am-piasana anefa ilay mpitambola tamin'io fa nandeha nisakafo antoandro. Rehefa tafaverina izy dia nisy niantso ilay finday ary avy hatrany nandrahona azy hanokatra ilay fanomezana. Gaga izy raha nahita ilay zavatra tahaka ny baomba no sady misy jiro kely mirehitra mena mipipika.
Tsy vitan'izay fa mbola nandrahona koa ilay olona niantso tamin'ilay finday nilaza fa raha tsy manome vola 100 tapitrisa azy ity mpitambola ity dia hapoakany afaka fotoana fohy ilay baomba. Nirahina ilay mpiambina hanatitra ity zavatra ity tany amin'ilay olona nanome azy saingy tsy tao intsony ilay olona. Avy hatrany dia natsipin'izy ireo teny ivelan'ny trano ilay izy taorian'izay. Nirohotra nivoaka ny trano kosa ireo mpiasa rehetra tao amin'ilay banky. Tonga teny an-toerana na ny zandary na ny polisy misahana ny heloka bevava na ny manampahaizana manokana mikasika ny zavatra mipoaka eo anivon'ny miaramila. Natsefotra ilay zavatra ary somary nipoaka kely vao noraisin'ny zandary misahana ny heloka bevava eny Fiadanana ny famotorana. Boaty lavalava tahaka ireny fitoerana “déodorant” ireny no tao anatiny. Nieren-doza ilay banky sy ny mpiasa tao aminy !
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.