Antoko Malagasy Iray

> Very namana mpiara-mitolona iray


  • Alarobia 13 Novambra 2013

Nindaosin’ny fahafatesana ny alahady 10 novambra 2013 lasa teo ny filoha lefitry ny antoko Malagasy Iray, Mamy Benjamin. 65 taona ny tenany izao nodimandry izao.

Ny nahafantaran’ny besinimaro azy teo amin’ny tontolo politika dia ny ezaka goavana nataony tamin’ny fampielezan-kevitra farany teo ho fampandaniana ny kandida Robinson Jean Louis tao amin’ny tanànan’i Mahajanga. Araka ny fandaharam-potoana voafaritra nampitain’ny filohan’ny antoko M-IRAY, Razakanirina Mahafaritsy Samuel tamin’ny mpampahalala vaovao dia anio alarobia 13 novambra 2013 no handevenana ny nofo mangatsiakany any Ambositra. Efa any an-toerana rahateo ireo mpikambana samihafa solontenan’ireo faritra misy eto amin’ny Nosy avy amin’ity antoko politika ity. Ny ekipan’ny mpikirakira vaovao sy ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana dia mampahery sy mirary fiononana ho an’ny fianakavian’Itompokolahy Mamy Benjamin.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT