Antohomadinika III G Hangar

> Misy mandrahona handrodana ny tranon’ny mponina


  • Alakamisy 14 Novambra 2013

Mitebiteby ny mponina eny Antohomadinika III G Hangar fa misy mandrahona handrodana ny trano fonenan’izy ireo, fa hoe miorina amin’ny tany manan-tompo.

Nidina nankahery sy nanome toromarika an’ireo mponina voakasika ny Hafari Malagasy notarihan’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly, sady nijery ifotony ny zava-misy manodidina ity olana ara-tany ao an-toerana. Aoka tsy ho taitaitra na hatahotahotra fahatany, hoy Atoa Jean Nirina, fa tsy misy olona afaka handrodana ny tranonareo izany raha tsy manana didim-pitsarana avy amin’ny tribonaly. Mbola lalana lavitra be anefa vao mety ho tonga amin’izany trangan-javatra izany, hoy izy. Vorio ny taratasy milaza ny nividiananareo tany na nahazoanareo alalana tamin’ny manampahefana dia hezahina ny hangataka ny tany hosoratana amin’ny anaranareo amin’ny alalan’ny fanaovana «Prescription acquisitive». Fantatra tamin’ny alalan’ny fanazavana nomen’ireto mponina ireto fa nisy no nividy tamin’ny olona milaza ho tompon’ny tany ny ampahany nanorenan-dry zareo trano, tao koa anefa ireo nomen’ny Fokontany III G Hangar alalana hanangana ny azy eo amin’izany toerana izany. Marihina fa honahona nototofan’ny Fokonolona no nohajariana ho lasa toeram-ponenana.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT