Actualités

Antenimieran’ny Varotra Antananarivo Mitaky ny hanafainganana ny fifidianana Rakotozafy Martin


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Mbola namerina indray Rakotozafy Martin, filohan’ny Antenimieran’ny varotra Antananarivo fa mankato ny fametrahana ny komity manokana hisahana ny fikarakarana ny fifidianana ny birao vaovao araka izay najoron’ny ministeran’ny varotra tamin’ny alalan’ny didim-panjakana.

 Toheriny kosa anefa ny fanankinana amin’ity farany ny fitantanana vonjimaika ireo Antenimiera lany fotoam-piasana. Efa nisy, hoy izy, ny fifampidinihany tamin’ny minisitry varotra izay nampahafantarany ny tsy fankatoavany ilay fanankinana amin’ny olom-boatendry ny Antenimiera na dia vonjimaika ihany aza.
“Misy amin’ireo mpiara-miombon’antoka no nampitandrina fa hiala izy ireo raha tsy olom-boafidy no misahana ny Antenimiera”. Ny alakamisy lasa teo nandritra ny fihaonan’ny minisitra Ramalason Olga sy ny Biraon’ny federasion’ny Antenimieran’ny Varotra izay mpiahy ny Antenimiera eto Antananarivo dia nanao fanambarana miaraka ny roa tonta momba ny fananganana komity manokana hanomana ny fifidianana amin’ireo Antenimiera 12 efa tapitra ny fotoam-piasany sy hisahana ny fitantanana vonjimaika amin’izy ireny ihany koa . Nandritra ny valandresaka nataony dia nilaza Rakotozafy Martin fa mila tanterahana haingana ny fifidianana. Momba ny resaka mandeha fa misy ambadika politika ny disadisa eo aminy sy ny ministera dia nambarany fa tsy mpanao politika ny tenany no sady tsy misy idiran’ny resaka politika mihitsy ity raharaha ity.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT