Azo lazaina fa takon’ny fifidianana filoham-pirenena ny fifidianana solombavambahoaka izay niarahana notanterahana ny zoma 20 desambra 2013 lasa teo.
Eny fa ny rafitra napetraka manokana mikirakira ny fifidianana aza teo amin’ny lafiny rehetra dia toa nanome lanja bebe kokoa ity andrim-panjakana mpanatanteraka ity manoloana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny Antenimieram-pirenenan’ny Repoblika faha-IV. Voaporofo moa izany nandritra ny fandrotsaham-bato sy ny fanisam-bato nataon’ny olom-pirenena. Mbola manamarina izany ihany koa ny famoahana mialoha ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana filoham-pirenena nataon’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita farany teo izay hitohy amin’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana hotanterahan’ny Fitsarana manokana mikirakira ny fifidianana tsy ho ela. Ny zava-misy anefa dia samy mahaliana ny maro ireo voka-pifidianana roa ireo. Ireo mantsy no rafi-panjakana voalohany nanehoan’ny olom-pirenena ny safidiny taorian’ny vanim-potoana maharitra nanjakazakan’ireo mpikaramanady politika marobe notendrena hitantana ny tetezamita.
Nizara telo mazava tsara rahateo ireo kandida mpifaninana tamin’izany ho toeran’ny depioten’i Madagasikara ao anatin’ny Repoblika faha-IV dia ireo hery politika roa lehibe izay tsy nitovy fomba fijery nanomboka ny taona 2009 taorian’ny fanonganam-panjakana miampy ireo kandida tsy miankina. Ny tsy azo adinoina anefa dia ny hoe ireo no fifidianana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy ary efa samy resy lahatra amin’izany ireo hery velona rehetra misy eto amin’ny firenena. Tsy latsa-danjan’izany ihany koa ireo olom-pirenena malagasy tompon’ny fahefana naneho ny safidiny efa te-hiala ao anatin’ny fahantrana mangeja azy. Mitodika any amin’ireo depiote vaovaon’ i Madagasikara handrafitra ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza manomboka izao ny vahoaka malagasy amin’ny famahana ireo karazam-pahasahiranana marobe mianjady aminy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.