Antanisoa Amboanjobe Bongatsara

> Olona an-jatony lasa traboina tsy fidiny noho ny ady tany


  • Alarobia 05 Febroary 2014

Fianakaviana maromaro ahitana olona an-jatony no navoakan’ny vadintany nomban’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny trano sy toerana misy azy ireo etsy Antanisoa Amboanjobe, Kaominina Bongatsara, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny alatsinainy 3 febroary teo ka lasa traboina tsy manan-kialofana tsy fidiny.

Etsy amoron’ny arabe amin’ny lalam-pirenena faha-7 iny izy ireo no nanangana trano lay nitobiana. Raha ny fitantaran-dRabearivony Benjamin Jocelyn iray amin’ireo zanaky ny mpandova ny tany iray hekitara nisy an-dry zareo ary efa nananganan’ireo ray aman-dreniny trano fonenana hatramin’ny taona 1960 dia nanjary nahavitan’ny mpandova ankilany taratasin-tany ity toerana ity tany amin’ny taona 1986 ary rehefa resy teny amin’ny tribonaly ireto farany dia mbola nahavitany taratasin-tany faha-3 milaza fa azy ireo irery manontolo indray ilay tany iray hekitara. Lasa adin’ny mpianakavy ity raharaha ity satria misy olona te hividy mora foana ny taninay manontolo, hoy hatrany Rabearivony Benjamin Jocelyn. Tsy hisy fiafarany ity ady tany ity na dia efa mba nanisy teny kely mikasika azy io aza ny filoham-pirenena vaovaon’ny Repoblika faha-4.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT