Actualités

Antaninarenina Nifampidaroka i Patrick Leloup sy Maurice Tsiavonana


  • Talata 06 Desambra 2011

Nifandramatra ny samy tandapa ! Nifamely totohondry tetsy anoloan’ny hotely Colbert tetsy Antaninarenina mantsy omaly i Patrick Leloup sy Maurice Tsiavonana.

 Raha araka ny fanazavana azo dia efa nifanenjika tamin’ny fiara hatrany ambany any izy ireo. Teo amin’io hotely io dia samy nijanona ary nifamono teo. Voa teo amin’ny masony ny iray, i Maurice Tsiavonana ka mangana izany, raha araka ny fanampim-panazava azo hatrany. Tsy ela dia tonga teny an-toerana ny namany, izay mivondrona anaty fikambanana ny ankamaroany. Ny anton’ny ady indray dia voalaza fa voabahana tamin’ny fiara ny iray izay tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto. Io no nahatezitra azy ka nahatonga nanenjika eran’ny lalana. Dia io nifamango io rehefa tonga tetsy Antaninarenina, amin’izay indray hitan’ny olon-drehetra izay sendra nandalo teo an-toerana.

Samy manan-danja izy roa lahy ireo satria ny iray dia efa diplaomaty teo anivon’ny masoivoho Malagasy tany Frantsa ary izao niverina ho mpanao gazety izao mba hanohanany ny FAT. Heverin’ny maro fa fomba iray hiverenan’ny amin’ny toerana izay efa notazominy teo aloha io fanehoan-kevitra ataony amin’ny haino aman-jery isan’andro. Ny faharoa indray dia mpanolotsaina manokana ao Ambohitsorohitra ary efa maro koa no nandrenesana ny anarany tamin’ny dosie maro. Heverina fa samy nieritreritra ny tenany ho tsy refesi-mandidy izy ireo rehefa akaiky ny fitondrana. Dia izao nifamango tampoka izao…
Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT