Lalam-pihariana iray anisan’ny mahazo vahana eto an-drenivohitra ireny fiarakodia zary hotely ireny na «Bouffe rapide», araka ny ahalalan’ny maro azy.
Mifaninana amin’ireo toeram-pivarotana hanimasaka izy ireny, saingy misy ihany ny menomenona satria toa tsy mifidy toerana itobiana ireny «Bouffe rapide» ireny fa feno azy ny sisin-dalana sy ny “parking” ka eo no mametraka olana ary manomboka andrenesana fitarainana, toy ny hita etsy Antaninarenina, eo anelanelan’ny tohatohabato sy ny Roxy. Misy itony «Bouffe rapide» itony eo. Ao anaty «parking» no misy azy. Fiara moa no ampiasaina ka mety ho izay ve no mahatonga ny fijanonana ao anaty “parking”.
Eo anefa no olana satria tsy toy ny fiara mijanona tsotra ilay izy fa lasa toeram-pivarotana, hani-masaka mazava loatra, ka sady manery toerana no itangoronan’ny olona samihafa. Ao ireo tonga hanohan’aina, fa eo dia eo koa ny mifanohitra amin’izay. Raha ny hita eo amin’ity “parking” Antaninarenina ity mantsy dia lasa ambohipihaonan’ny 4’Mi ihany koa, ka miteraka fahasorenana ho an’ny mpisakafo, eny ho an’ny mpandalo koa aza, na ny mpandeha tongotra izany na ireo mpitondra fiara mandalo amin’io faritra io, satria dia ahiana ny olon-dratsy noho ny havoriana sy ny fitangoronana aterany. Manginy fotsiny ny loto, izay tsy mifanaraka velively amin’ny maha faritra misy lapam-panjakana azy. Manana adidy amin’izany ny Kaominina noho izy tompon’andraikitra voalohany amin’ny fahadiovan’ny tanàna, ny fandaminana sy ny firindran’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny eto.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.