Actualités

Antanimena Saika rafitr’ady ny “TIM” sy TGV


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Tranga hafa kely no niseho ny sabotsy teo, andro farany tamin’ny fikaonan-doha manodidina ny fivarotantenan’ny zaza tsy ampy taona, natao tetsy amin’ny Astauria Antanimena.

 Nisy mpandray anjara iray, mpitarika vovonam-pikambanana, nanao fanehoan-kevitra amin’ny fahitany ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina sy ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra, ka nilazany fa tokony hiala rehefa tsy mahavita. Nisy mpanatrika iray, nahatsiaro ho tohina nandre io, ka dia niaka-pofona tampoka. Izy rahateo efa namofompofona. Nanapa-teny ranamana, ary nilaza tamin’ilay mpamelabelatra fa lava loatra ny fandraisam-pitenenany ary nohitsiany fa TIM, ka niangaviany hivoaka ny trano hifampitana aminy fa izy TGV. Dia lasa ny saina hoe, fanehoan-kevitra tsotra mikasika fivarotantenan’ny zaza tsy ampy taona aza dia mila ho rafitr’ady ny mpizaika, mainka fa hoe hiroso amin’ny fifidianana. Ho sarotra ny raharaha !
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT