Actualités

Antananarivo renivohitra Zazalahy 1.200 hoforaina maimaimpoana


  • Alarobia 06 Jolay 2016

Zazalahikely miisa 1.200 no hoforana maimaimpoana mandritra ny roa volana ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanomboka omaly talata 5 jolay ny hetsika teny amin’ny BMH Isotry.

Zazalahikely manodidina ny 50 mahery no nahazo tombontsoa  ho an’ny Boriborintany fahefatra. Nisolotena ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana ny Lefitra Fahatelon’ny Ben’ny tanàna Patrick Ramiaramanana. Notsindriany manokana fa asa fanasoavana ny mpiara-belona hanamaivanana ny fahasahiranana ara-tsosialy avy amin-dRamatoa Lalao Ravalomanana, amin’ny maha renim-pianakaviana azy izao tanterahina izao. Nisy koa ny kilalao samihafa sy akanjo malabary natolotra ny zaza vita fora. Mpiara-miombon’antoka amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo amin’izao hetsika izao ny “Handicap International”, ary mpiara-miasa kosa ireo mpitsabo avy ao amin’ny Departemantan’ny Asa Sosialy sy Fahasalamana. Tsiahivina moa fa voakasik’ity hetsika famorana faobe ity avokoa ny Boriborintany enina eto an-drenivohitra.

Pati


 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT