Actualités

Antananarivo Renivohitra Feno adiady an-dalambe


  • Alatsinainy 26 Desambra 2011

Ny adiady an-dalambe no avy hatrany dia hita mibaribary tamin’ny tarehimarika azo teo anivon’ny loharanom-baovao akaiky ny hopitaly.

 Tafakatra ho 39 izany nandritry ny alin’ny 23 desambra ary 54 kosa nandritry ny 24 desambra sy ny andron’ny krismasy. Maro ny olona no niady tetsy sy teroa ary saika fifamaliana kely hatrany no nitarika ireo disadisa izay niteraka faharatrana maro. Efa mateti-pitranga ihany izany rehefa andro fety saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia voalaza fa mihoa-papana ny niady an-dalambe. Midika izany fa mihasarotra ny fiainana ka mora sorena ny olona. Ankoatra izay, fantatra fa olona efatra no maty nandritry ny fetin’ny krismasy. Ny roa matin’ny lozam-pifamoivoizana ary ny roa hafa kosa matin’ny toaka na koa ny fisotroana toaka diso tafahoatra. Safotry ny toaka ireo dia tsy tafaverina intsony ny ainy nony avy eo. Nisy ihany koa ny tapa-kevitry ny namoifo nandritry ny andro fety saingy tsy tontosa izany. Avotra soa aman-tsara avokoa ireo rehefa tongan’ny olona ara-potoana teny amin’ny hopitaly.
S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT