Antananarivo-Renivohitra

> Ny fifidianana mandeha ny amboteazy tsy miala


  • Sabotsy 21 Desambra 2013

Ao anatin’ny andro fifidianana izay andro tsy hiasana nefa handraisan-karama ho an’ny mpiasam-panjakana sy ireo mpiasa hafa mandray vola isam-bolana dia tsy vitsy ihany koa ny zava-mahagaga sy mahazendana miseho.

Santionany amin’izany, teto Antananarivo-Renivohitra, ireto trangan-javatra vitsivitsy ireo : maro ireo mpiasa tenany tena revo dia revo tamin’ny fitadiavam-bola isan’andro ka nameno ny toeram-pivarotana mahazatra azy teny antsisin-dalana sy ampovoan-dalana mihitsy aza, toy ny teny Isotry, Behoririka, Mahamasina. Fiara mpitatitra tany goavana marobe no tazana nivezivezy avy any amin’iny lalana by-pass iny nihazo ny tetezan’Ankadindratombo sy Ambohimiandra sy Ambanidia iny raha variana manisa vato ny olona. Farany, tsy mitsahatra mihitsy ny amboteazy amin’iny lalana ampitan’ny CENAM Antetezana Afovoany (67 ha Atsimo) iny omaly andro tsy fiasana sy andro fifidianana. Ireo rehetra ireo dia tao anatin’ny fivezivezen’ny mpitandro filaminana maro dia maro nahazo fanampiana manokana hisahana ny fandriampahalemana nandritra ny fandatsaham-bato omaly.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT