Actualités

Antananarivo Renivohitra Betsaka ny trano atahorana hianjera


  • Zoma 17 Febroary 2012


 Taorian’ny fandalovan’iny rivodoza Giovanna iny, dia mbola maro ny trano sy tamboho ahiana hianjera, araka ny nambaran’ny eny amin’ny mpamonjy voina. Saika ireo trano efa tranainy sy ambany toerana avokoa izy ireny. Ahitana izany ny eny Ampasampito sy Andohatapenaka, Ambatonakanga sy Soanierana ary Antanimena sy ny maro hafa. Araka ny vaovao azo, dia maherin’ny folo eo ho eo izy ireo, ka tokony hitandrina sy hiala amin’ireny trano atahorana ireny ireo voakasik’izany. Misy mantsy ireo mihevitra fa dila iny ilay rivodoza, kanefa izay indrindra no tokony hitandremana araka ny vaovao azo, fa vantany vao tanehin’ny masoandro ireo trano ireo, dia mety hirodana ho azy.
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT