Antananarivo

> Tsy hay idirana sahady ny afovoan-tanŕna


  • Talata 03 Desambra 2013

Vao manomboka ny volana desambra dia mavaivay ihany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana mihazo ny afovoan-tanŕna eto an-drenivohitra.

Manemitra ny arabe mantsy ireo mpivarotra fa tsy mijanona intsony amin’ny toerana falehan’ny mpandeha an-tongotra manararaotra ny tsenan’ny noely. Adiny iray mahery no amitan’ny fiara ny lalana miala eo Andohan’Analakely sy Soarano izay vita ao anatin’ny 5 minitra raha atao dia an-tongotra. Mamilafila mihitsy ny taxi vao mitondra mpandeha mihazo an’Analakely sady mbola manondrotra ny sarandalana ihany koa. Ankoatra ny mpivarotra dia vao mainka manamafy ny fitohanana ny fibahanan’ny fiara mpitatitra ny lalana. Tsy maka sisiny mantsy izy ireo rehefa mijanona. Resabe fotsiny ny filazana fa hanatsara ny fomba fiasa ny mpitatitra rehefa nampiakatra ny sarandalana ho 400 Ariary. Farany dia tokony hasian’ny mpitondra fepetra koa ny momba ireo mpanohana kandida manao fampielezan-kevitra mitety tanàna satria mijanona maharitra amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany izy ireny.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT