Antalaha sy Mananara Avaratra

> Amaharan’ny mpanao afera «bois de rose»


  • Sabotsy 01 Febroary 2014

Manararaotra ny tsy mbola fitsanganan’ny fanjakana marim-pototra ireo mpanao aferana andramena any amin’ny tapany avaratry ny Nosy.

 

Araka ny tatitra azon’ny AVG (Alliance Voahary Gasy) avy amin’ireo ratsamaingaikany any Antalaha sy Mananara Avaratra dia misy indray ireo olona mitatitra ity hazo sarobidy ity an-tsokosoko. Nanomboka tamin’ny 13 janoary 2014 dia misy tanora vitsivitsy sy teratany Sinoa mitatitra «bois de rose» isa-maraina amina fiara be 5 avy ao amin’ny Fokontany Fampotakely mankeny Andasimbe izay morondranomasina hanondranana azy ireo. Ny 24 janoary kosa tamin’ny 11 ora no naharay antso avy any Mananara Avaratra ny AVG noho ny fisian’ny fiarabe mitatitra «bois de rose» izay voaray ny laharany raha ilain’ny manampahefana. Tsy fantatry ny mpanome vaovao kosa anefa ny lalan-kalehany. Tato anatin’ny roa andro aza izao, dia ireo andramena voageja mihitsy indray no misy maka tsotra izao tao Mananara sy Antanambao. Misy anaran’olona maromaro vaotonontonona ao anatin’izao trafika izao saingy dia jerem-potsiny. Miantso ny filoha vaovao hanatanteraka ny fampanantenany handray an-tanana ny fanafoanana ny gaboraraka sy fametrahana fanjakana tsara tantana ny AVG, toy izany koa ny mponina any an-toerana. Andrandrainy amin’izany ny fampiharana ny didy hitsivolana 2001-001 sy fampiasana ny sambo “Tendromaso” izay afaka manara-maso ny fari-dranomasina Antalaha –Sainte Marie.

 

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT