Tsy kely lalana ny ratsy fa misy foana ny mikotrika fanakorontanana hanehoany ny tsy hafaliany, izay heverina fa mifandray amin’ny tontolon’ny politika indray ka namono olona tamin’ny fanapoahana grenady teny Anosy ny sabotsy, taorian’ny rindran-kira tao Mahamasina, lanonana tafiditra tamin’ny nandraisan’ny Filoham-pirenena vaovao Hery Rajaonarimampianina fahefana.
Raha ny zava-niseho hita teny an-toerana sy fanazavana nomen’ireo nanatri-maso, dia tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva tany ho any tao anatin’ny fotoana niravan’ny lanonana mihitsy, no nipoaka teo amin’ny fiatsonan’ny fiara fitaterana teo Anosy ampitan’ny fivarotana voninkazo teo aloha ny grenady. Be mpandeha sy mpiandry fiara mpitatitra ary mpivarotra iny toerana iny ka zaza iray 2 taona no maty teo no eo, raha tafakatra 51 kosa no naratra, ka atahorana ny ain’ny 2 amin’ireo. Nisy tamin’ireo no tapa-tongotra, ary voalazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana fa nisy fianakaviana iray trano 5 mianaka niara-nipoahan’io grenady io.
Tao amin’ny hopitaly CHU-HJRA indray dia fifanjevoana noho ny habetsahan’ireo naratra no tena nanjaka, vitsy anefa ireo dokotera mpiandry raharaha. Nisy ihany koa ireo olona izay nirohotra hiditra tao amin’ny hopitaly nentin’ny fitia te hahafantatra raha toa ka misy fianakaviany naratra tao. Nisongadina tamin’iny tranga iny ny fifandirana tamin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao gazety izay samy nanao ny asany nandritra ny fotoana fanangonam-baovao teny an-toeorana satria nosakanan’ireo mpitandro filaminana tsy hiditra haka sary teny amin’ny toerana nipoahan’ny grenady ny mpanao gazety. Nisy olona ihany koa teny an-toerana saika hijoro vavolombelona satria nilaza fa nahita ny zava-nisy sy nanatri-maso saingy noho ny fanakanan’ny olona azy dia nihemotra ranamana.
Samy nanameloka iny asa fampihorohoroana iny avokoa ny mpanao politika rehetra na ny avy amin’ny fitondrana na ny mpanohitra. Taorian’ny loza dia tonga nizaha ireo maratra teny amin’ny HJRA sy nankahery ny fianakaviana manamanjo ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary nilaza fa raisin’ny fanjakana an-tanana ny lany rehetra amin’ny fitsaboana. Nijery ireo marary sy fianakaviana namoy zanaka teny amin’ny HJRA koa ireo lehiben’ny andrimpanjakana isany Praiminisitra Beriziky Jean Omer, ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Rasolosoa Dolin ary ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, sady nanome toromarika ny hitadiavana sy hanasaziana mafy izay nahavanon-doza sy ny mpaniraka azy. Tonga teny amin’ny hopitaly nijery sy nanolotra fanampiana ireo niharam-boina ihany koa ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana notarihin’i Guy Rivo Randrianarisoa. Efa misokatra ny fanadihadiana sy ny famotorana rehetra ka heverina fa ho fantatra tsy ho ela ny nikotrika iny fanapoahana grenady teny Anosy iny.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.