Actualités

Anosizato Atsinanana Eny ambony fako no mandeha ny olona


  • Zoma 02 Martsa 2012

Mananontanona ny valanaretina eny Anosizato Atsinanana. Misavovona ny fako izay efa andro maro no tsy misy mpaka.

 Tsy antonona ny daba lehibe fametrahana azy intsony ny fako ka ny lalana indray no lasa anarian’ny olona azy. Tsy azon’ny fiara ivoahana intsony izao ny lalana manomboka eo amin’ ny fiangonana FJKM Anosizato Hebrona mankany aorian’ny Castello Motel izay nisy ny fahitalavitra TV Plus teo aloha. Tsy maintsy manitsaka io fako misavovona io kosa ny mpandeha an-tongotra vao afaka mandalo amin’ity toerana ity. Miantso ny tomponandraikitry ny Kaominina handray andraikitra ny mponina eny an-toerana, araka izany. Ankoatra ny fanesorana faran’izay haingana ny loto dia takian’izy ireo koa ny fandraisana fepetra amin’ireo tantsaha mivarotra vao mangiran-dratsy izay mamela ny fakony rehefa tapitra ny tsena. Maniry ny hanaovan’ny BMH fandrarahana fanafody famonoana bibikely mety hitarika valanaretina koa izy ireo.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT