Actualités

Ankorondrano Fokontany harodana : nisahotaka ny olona


  • Alakamisy 29 Desambra 2011

Raikitra ny savorovoro omaly hariva teny Ankorondrano. Voatery nidina teny an-toerana ny polisy nandamina ny raharaha vao nilamindamina.

 Izany dia niainga tamin'ny feo izay niampitapita fa hisy handrodana ny biraon'ny Fokontany. Vetivety foana dia vory ny olona ary nanontany ny prezidan'ny Fokontany izay saika hitambaran'ireo tao indray aza. Teo no voatery nidina an-tsehatra ny polisy nandeha tamin'ny fiara roa. Tonga teny mihitsy aza ny kaomiseran'ny boriborintany fahenina mba hijery akaiky ny raharaha. Rehefa nandeha teo ny resaka nifanaovan'ny telo tonta dia ny Fokonolona, ny mponina ary ny lehiben'ny Fokontany dia nazava fa tsy nisy mihitsy ny fikasana hivarotra na handrodana ny biraon'ny Fokontany na ny marimarina kokoa ny Tranompokonolona. Nilamina ihany ny niafaran'ny raharaha ary nanaiky niala ny olona rehefa nohazavaina fa fanatsarana no hatao amin'io trano io fa tsy fandrodanana araka izay mandeha akory.
S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT