Tsy nahasarika olona tahaka ny isan-taona ny fiatrehana ny misasak’alin’ny Noely noho ny resaka tsy filaminana ao Toamasina, na niezaka naka mpiambina manokana avokoa aza ny ankamaroan’ireo fiangonana mba hiambina ireo fananan’ny mpino.
Tsy sahala amin’izay kosa anefa ny trano fisotroan-toaka sy ireo toerana fivarotan-toaka an-kalamanjana mameno tanàna ao Toamasina, fa feno hipoka sy naresaka ny azy ireo ka saika tanora vao erotrerony miandahy miambavy avokoa no nameno azy ireny. Toraka izany koa ireo trano fandihizana raha tsy nahazo mpanjifa loatra kosa ireo mpanao “karaoke”. Vokatr’izany dia niisa 16 ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho ny ny 24 desambra sy ny 25 desambra izay avy amin’ny moto scooter avokoa ny 99%. Nisy 02 voatery naiditra hopitaly noho ny hamafin’ny fahavoazany. Niisa 13 kosa ny ratra vokatry ny ady nateraky ny fahamamoana ka voatery nahiditra hopitaly ny 03 ary ny 01 amin’izany no mbola tsy nahatsiaro tena omaly. Niisa 01 kosa ny torana vokatry ny alikaola. Ankoatra izay, dia niisa 109 ireo nila vonjy tamin’ny mpitsabo vonjy taitra ny hopitalibe ny 24 sy 25 desambra ka niisa 71 ireo voatery nahiditra hjopitaly noho ny aretiny izay olana ara-tosidra sy tazo ary fahasemporana ny ankamaroany. Marary iray kosa no nandositra ny fitsaboana azy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.