Actualités

Ankolafy Ravalomanana Nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina eny Ankadikely


  • Alatsinainy 09 Janoary 2012


 Tonga nanolotra vary 18 kitapo, savony 20 baoritra ary fitafiana maro ho an’ireo traboina noho ny rivo-mahery niseho teny an-toerana tamin’iny herinandro lasa teo iny ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana notarihan’ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Hanitra Razafimanantsoa sy ny CST isany Olivier Rakotovazaha sy Mamitiana Ravelonanosy, ny sabotsy teo. 100 ireo notolorana ny tsirambin’ny tanana tao amin’ny Epp Ankadikely Ilafy ary 100 hafa ihany koa ny teny Belanitra nisy ireo trano nianjeran’ny hazo be. Nambaran-dRtoa Hanitra Razafimanantsoa fa tsy manadino ny vahoaka ny Filoha Marc Ravalomanana fa izao mampitondra hafatra anay izao ho anareo, raha nitodika manokana tamin’ireo traboina izy. Kely ny zavatra omena, hoy izy, fa ny fo manolotra no betsaka dia betsaka. Nisaotra ny mpanome mahatsiaro azy ireo ny solontenan’ireo traboina ary nampitondra hafatra ho an’ny vahiny ihany koa amin’ny fisaorana ny any an-tany lavitra tsy manadino ny sahirana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT