Mba ho fitsinjovana ireo ankizy madinika sahirana ara-pivelomana, indrindra fa ireo kamboty tsy manam-piahy monina eny Ankasina dia tonga nanolotra fanomezana ho azy ireo toy ny harendrina ny
Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana omaly. Ankizy am-polony maro no nahazo tombontsoa tamin’izany izay marihina fa tsy mbola misy manana harendrina avokoa. Nitohy tamin’ny fizaran’ny Ben’ny tanàna harendrina ho an’ny zanaky ny mpiasa izany omaly folakandro, fihetsika izay tena nahafaly ireto farany tokoa. Tsy nitsahatra teo ny lanonana fa mbola nisy ihany koa ny fiarahany nanao harendrina niaraka tamin’ireo zanaky ny mpiasa ireo nanomboka tamin’ny 04 ora folakandro, fitondrana harendrina nanodidina ny araben’ny fahaleovantena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.