Miasa ny 23%-n’ny ankizy malagasy 5 hatramin’ny 17 taona. Niharan’ny herisetra ara-pananahana kosa ny 14%-n’ny tovovavy malagasy 15 hatramin’ny 19 taona.
Tratran’ny vono ara-batana ihany koa ny 15%, araka ny antontanisan’ny Unicef.
LFR 2016
Hidina 7,1% ny fidangan’ny vidim-piainana 7,6% voarakitra ao amin’ny volavolan-dalàna tetibola nasiam-panitsiana 2016. Hilatsaka 4,1% ihany kosa ilay harinkarena 4,5% nofaritana tao amin’ny tetibolam-panjakana 2016.
ARNA
Anisan’ny nampifaly teny Mahamasina omaly ny tarika Arna. Nentanin-kafaliana ny tarika ka nahavita hira fito. Nahavita nisolo akanjo in-droa izy farafahakeliny. Manavanana azy ny karazan-kira rehetra.
HARENDRINA
Mbola mankalaza ny fetim-pirenena ny Malagasy. Efa manavanana ny olona ankehitriny anefa ny harendrina sinoa. Miha mihena ny vita malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.