Ankizivavy gasy alefa hivarotena any Sina

> Amidy ary lafo 24 tapitrisa Ar ny tsy ampy taona


  • Alatsinainy 13 Janoary 2014


Telo taona teo ho eo izay dia niroborobo ny fandefasana ankizivavy gasy any Sina hivarotena sy hiasa an-trano. Misy amin’ireo 20 isan’andiany indray mandeha no tsy ampy taona. Tsy mahalala akory ny fahoriana, fanandevozana sy fivarotana olona tsotra izao mianjady amin’ny zanany lasa miasa any Sina akory ny ray aman-dreniny. Ankizy avy any amin’ny Faritany sy miasa eny anivon’ireny toeram-pivarotana tantanan’ny teratany sinoa eto amintsika ireny ny ankamaroan’ny tanora voasarika, ka «Visa touristique» no entin’ireo zazavavy ireo miala eto Madagasikara.

 

Ifandrombahana

 

Tonga any, efa misy vehivavy malagasy roa mpiraitampo mandray an-tanana azy ireo ary alain’ireo sy giazany avokoa ny taratasy rehetra mba tsy ahafahan’ireo ankizy mandositra. Amidy amin’ny Sinoa lahy tantsaha ho vady na efa tsy mahakarakara tena irery intsony ireo ankizivavy, ka 20 tapitrisa Ariary ny iray raha mainty fihodirana, raha fotsy kosa tafakatra 24 tapitrisa Ariary. Raha ny loharanom-baovao dia ankizivavy malagasy 13 no miaritra ny fanolanana isak’alina sady manao asa tsy sahaza ny toe-batam-behivavy koa amin’ny antoandro. Matetika voafitaka foana ireo tovovavy hiasa any Sina. Hiasa an-trano na ao anatin’ny toeram-pivarotana no ifanarahana,  zava-doza no miandry rehefa tonga any.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Vonison Andrianjato
  • Zoma 05 Jona 2026

«Mila fanjakàna mafy ahazoana firenena matanjaka»

  • Filohan’ny fanavaozana
  • Zoma 05 Jona 2026

"…Azo henjehina ny mpikamban’ny

  • Clémence Raharinirina "
  • Zoma 05 Jona 2026

Ny mpanenjika misy foana,

  • Mamitiana Rajaonarison
  • Zoma 05 Jona 2026

Praiminisitra faha-31 hatramin’ny andron’i Ranavalona

  • ADY AMIN’NY KOLIKOLY
  • Zoma 05 Jona 2026

Tanora manana kolontsaina

  • METFP sy ny BIANCO
  • Zoma 05 Jona 2026

Hiara-hiasa hiadiana ny

Hijery ny tohiny
FTT