Actualités

Ankazotokana Ambanidia Karaoke mampisavorovoro ny mponina


  • Zoma 03 Febroary 2012

Efa ho telo volana katroka izao no niainan’ireo mponina manodidina an’Ankazotokana Ambanidia ny kotaba sy ny hirahira avy ao amin’ny toerana fanaovana irony karaoke irony ao an-tanànan’izy ireo izay efa nitondrany fitarainana teny anivon’ny Fokontany Ambanidia, ny Firaisana II ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

 Narahina fanangonan-tsonia mihitsy izany, mitaky ny tokony hampihenana ny ora hiasan’io toerana fanaovana karaoke io na ny fanesorana azy mihitsy. Matetika mantsy dia mandrapaharainan’ny andro no mivoha ilay toerana ankoatra ny andro alatsinainy tokana. Vokany, zara raha matory ny mponina. Ho an’ireo marary mila torimaso tsara sy milamina, ohatra, dia voatery mifindra any amin’ny havany na mifindra monina mihitsy izy ireo. Toraka izany koa ireo vao tera-bao sy ireo manan-janaka madinika mbola mianatra. Araka ny fijoroana vavolombelona nataona ray aman-drenin’ny mpianatra maromaro mantsy dia tsy matory koa ireo zanany fa mandihy toy ny ataon’ireo olona mihira ao amin’ny karaoke, hany ka tsy miditra amin’ny sain’izy ireo ny fianarana tokony hataony amin’ny andro antoandro. Nanambara moa ireo mponina ao an-toerana fa raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitra hataon’ny tomponandraikitra dia hitokona izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT