Ankazomanefa-Ankazomiriotra

> Dahalo folo nanafika, voasambotra ny telolahy


  • Zoma 10 Janoary 2014

Azo lazaina fa tena tsy mandry fahalemana iny faritra andrefan’i Vakinankaratra iny amin’ny asan-dahalo. Raha ny tatitry ny mpitandro ny filaminana dia fantatra fa fanafihan-dahalo niisa telo no nitranga tao amin’ny Distrikan’i Mandoto fotsiny ny faramparan’ny taona 2013 iny, anisan’izany ny tany Morafeno, Kaominina Anjoma-Ramaritina.

Ankoatra izay dia nisy ihany koa tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ankazomanefa, Kaominina Ankazomiriotra mbola iny faramparan’ny taona iny ihany. Raha ny voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia manodidina ny folo lahy sady nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo nanafika ireo ary tsy miova ny endriky ny fanafihana fa toy ireo fandre matetika ihany dia ny fanapoahana basy avy hatrany raha vao tafiditra ny tanàna mba entina hampihorohoroana ny mponina, arahina tsoka kiririoka lavareny. Ny mponina rahateo vao mandre izany dia ny mifitsaka no atao aloha satria mamy ny aina ka samy mihidy aman-trano avokoa. Voalaza tamin’izany fa valan’omby roa no najifan’ireo dahalo tao Ankazomanefa izay nisy omby 20 isa tafavoaka nandritry ny fanafihana saingy niparitaka nitsoaka eran’ny tanàna ireo omby noho ny korontana ka tsy voavondron’ireo dahalo fa omby niisa folo no tafavoakan’izy ireo ny tanàna. Rehefa lasa izy ireo dia nifamory ny Fokonolona ary niantso ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fanarahan-dia. Vokany, sarona teny am-pandosirana ny telo  tamin’ireo folo lahy nanafika ary omby iray kosa no novonoin’ny dahalo teny an-dalana nangalany hena. Ireo fito lahy hafa kosa tafatsoaka nandositra ka navelany ny omby niisa 9 izay tafaverina tamin’ny tompony avokoa. Hiakatra fampanovana anio moa ireto dahalo telo lahy tratra ireto ary mbola mitohy ny fikarohana ny namany niara-nanafika taminy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT