Tonga tao Ankatso indray koa ny onjan’ny adim-poko izay tena atahoran’ny maro tokoa satria mitera-doza ho an’ny fiainan’ny oniversite.
Raikitra ny adin’ny mpianatra eo anivon’ny MAFAMI sy BAFAMI, izany hoe ireo avy eto Antananarivo sy ireo avy any Ambatondrazaka. Izany dia niainga teo amin’ny adiadin’ny mpianatra roa eo anivon’ireo fikambanana ireo monina tamin’ny tranon’ny mpianatra teny Ambatomaro. Ren’ny tompon’andraikitra izany ka nisy ny fandroahana ireo mpianatra. Raha ny filazan’ireo mpianatry ny MAFAMI anefa dia ny olon’izy ireo ihany no nahazo ilay fandroahana ary tsy voakasik’ilay fanapahan-kevitra ilay mpianatry ny BAFAMI. Niteraka olana avy hatrany izany ka nahatonga ireo MAFAMI nihetsika omaly. Nofantsihan’izy ireo ny biraon’ny CROUA ary tsy navela hivoaka tao ny talen’io sampana io. Adiny iray taty aoriana vao navela hiteny ary nampanantena ny hifampiraharaha amin’ny famahana ity olana ity ato ho ato.
Anisan’ny nahatezitra ireo mpianatry ny MAFAMI ihany koa ny fahafantarana fa mitongilana any amin’ny BAFAMI io tomponandraikitra io satria avy any koa ny fiaviany. Mbola tantara mitohy ity olana eny amin’ny oniveristem-panjakana ity. Tonga eto Antananarivo koa ny olana. Tsy mivaha mandraka ankehitriny fa mikatso ny raharaha Barikadimy, taorian’ny fifandonan’ny mpianatra avy amin’ny FITEFA sy ny Grand Sud, ka nahafatesana mpianatra iray avy amin’ity farany. Nitarika fifandrahonana tao Andrainjato Fianarantsoa izany, izay nahatonga ireo mpianatra zanak’Avaratra maromaro nangoron’entana ho fiarovana ny ainy. Hatreto anefa toa mihenahena tsy hita izay fandraisan’andraikitry ny mpitondra.
Gaby
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.