Actualités

Ankatso Mitohy ihany ny korontana omaly


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Nofantsihan’ny mpianatra ny biraon’ny CROUA omaly.

 Tsy noheverina fa nilamina arak’izay nitranga afak’omaly izany ny eny Ankatso fa lasa misy fivoarany andro aman’alina. Ireo mpianatry ny MAFAMI, izay avy eto an-drenivohitra, no nanatontosa an’izany. Tsy niandry ilay daty nomen’ny talen’ny CROUA mba hanomezana vahaolana, araka izany, izy ireo fa avy hatrany dia nanao izay saim-pantany. Hatreto dia tsy mbola fantatra izay hitranga anio ao Ankatso. Omaly ihany dia efa nisy ny andiana mpianatra nanameloka an’io hetsika io. Raha tsiahivina dia ny fialan’ny tomponandraikitry ny SÉCU sy ny talen’ny CROUA no tadiavin’ireo mpianatry ny MAFAMI rehefa voalazan’ireo fa mitongilana ireo tompon’andraikitra ireo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Manahy ny mpianatra sasany izay naneho ny heviny fa ndrao hisy akony amin’ny fampianarana eny an-toerana ity tranga ity. Ny tena hatahoran’izy ireo dia ny hivadihan’ny raharaha ho lasa adim-poko, toy izay efa hita taratra afak’omaly.

Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT