Actualités

Ankatso Hiampy herinandro ny andro tsy hianarana


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Aorian’ny 22 febroary vao ho fantatra na hiverina na tsia ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo.

 Hanao kongresy ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka amin’io, handinika ny fivoaran’ny fitakian’izy ireo sy hanapa-kevitra amin’izay ho tohin’ny raharaha. Nisy ny alatsinainy teo ny fihaonan’ireo voakasika mivantana amin’ity olana eny amin’ny anjerimanontolo ity, nahitana ny avy amin’ny SECES, ny fitantanana ny oniversite, ny ministeran’ny fampianarana ambony, ray aman-dreny, tsy tonga ny avy amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola na nasaina aza. Ny mpianatra no nikarakara ny fihaonana. Nafampana ihany ny fandraisam-pitenenana tao amin’ny Cathédrale DEGS ny alatsinainy teo. Ny mpianatra rahateo maika te hianatra. Tsy nisy anefa ny zavatra tapaka. Ny zava-misy rahateo dia mbola hiampy herinandro ny fotoana tsy hianaran’ny mpianatra, miandry ny kongresin’ny SECES.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT